kolontsaina

Zaridainan’Anosy An-jatony isan-kerinandro ireo olona mitsidika azy


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Ankoatra ny etsy Ambohijatovo dia anisan’ny toerana tena be mpitsidika ihany koa ny zaridainan’Anosy taorian’ny nanovan’ny kaominina Antananarivo renivohitra endrika azy.

Raha araka ny fanadihadiana natao dia an-jatony isan-kerinandro ireo olona tonga mitsidika azy ka ankoatra ireo fianakaviana dia marobe koa ireo mpifankatia tonga eny an-toerana, raha misy ihany koa ireo fianakaviana. Nampiana Ravinala vita amin’ny vy iray eny an-toerana omaly handravahana ny zaridain’Anosy.Ny masoivohin’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara Atoa Giovanni Di Girolamo, no nanolotra izany, izay nisaoran’ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina manokana. Raha araka ny fantatra dia asa tanan'Atoa Dieudonné Razafindratovo io ravinala vita amin’ny vy io ary misy ny lokon'ireo firenena 27 ao amin'ny vondrona eoropeanina. Marihina moa fa misokatra ho an’ireo mpanala fanadinana eto Antananarivo renivohitra ihany koa ity zaridaina ity amin’izao fotoam-panadinana izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana ilay ravinala vita amin’ny vy natao eny amin’ny zaridainan’Anosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT