kolontsaina

Zaridainan’Andohalo Hampiantrano ny “Haify Mampihavana 4”


  • Zoma 01 Septambra 2017

Raikitra indray ny Haify Mampihavana andiany fahefatra. Ny 30 septambra ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin’ny zaridainan’Andohalo, haharitra telo andro.

Ny  fikambanam-behivavy  WTAM (Women Tourism Association for Madagascar) no mpikarakara ny hetsika izay natao indrindra hanomezan-danja manokana ny sakafo malagasy manomboka any amin’ny tsaingoka,  mandalo any amin’ny ody am-bavafo sy ny fanokafam-bavony hatrany amin’ny hanim-py eny ambony lovia. Tranoheva manodidina ny 40 isa no handray anjara ao. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazan-tsakafo Indoneziana sy ny maro hafa, izay hanasana ireo mpankafy sakafo rehetra.  Anisan’ny ho avy hanatrika izao lanonana izao ireo ankizy miisa 150 nandray anjara tamin’ny fifaninanana Tsikonina, nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny volana jona lasa teo. Toraka izany koa ireo tanora nandray anjara tamin’ilay fifaninanana “Jeune Chef Haify” tamin’ny taona 2015-2016, hotarihin-dRamatoa Mariette Andrianjaka, izay reny mpiahy azy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT