kolontsaina

Zaridaina Ampefiloha Hitondra ny anaran’ny Lions Club International


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Notokanana omaly Alarobia 19 Aprily ny tsangambaton’ny Lions Club International etsy Ampefiloha. Nomarihana tamin’ny fomba Ofisialy izany tamin’ny alalan’ny lanonana tsotra natrehan’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana sy ny fianakaviamben’ny Lions Club International notarihan’ny Governora Distrika 403 B2, Rakotozafy Fidy.


 Fanomezana maodely sy fampirisihana ny be sy ny maro handray andraikitra amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Tananan’Antananarivo no hafatra nampitaina tamin’izao hetsika izao. Nanamafy ny Ben’ny tanàna fa misokatra amin’ny rehetra izay tsara sitrapo ny Kaominina amin’ny fanatanterahana ny tanjona iraisana dia ny fanatsarana ny Renivohitr’i Madagasikara ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Manomboka izao koa dia hitondra ny anaran’ny Lions Club International ny zaridaina eny an-toerana, ary ny Lions Club International no mikarakara ny zaridaina etsy Ampefiloha. Natao ho an’ny olona rehetra ny zaridaina afaka ipetrapetrahana sy hakana aina.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT