kolontsaina

Zanak’i Mahajanga Halamina ny tsy fitovian-kevitra


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny CCI Ivato ny fanavaozana ny birao mandrafitra ny Fikambanan’ny zanak’I Mahajanga miray na FIZAMAMI.

Laharam-pahamehana, hoy ny filoha vaovao izay lany,Olivier Samy Harison, ny famondronana ny zanak’I Mahajanga rehetra tsy anavahana. Misy ny tsy fitovian-kevitra sy mampisalasala ka antony andraisako andraikitra miaraka amin’ireto birao vaovao ireto izany, hoy izy, hampivondronana ho ao anaty fikambanana ireo zanak’I Mahajanga. Tsy tokony hisy fifanolanana fa firaisan-tsaina ho fampandrosoana an’I Mahajanga no ilaina. Hisy, noho izany, ny loabary an-dasy atao amin’ny faritra rehetra izay vinaniana ho afaka 3 volana ary ifampierana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy raiamandreny ara-drazana isanisany izany. Ho avy izahay hitondra ny hetahetanay rehetra momba ny fampandrosoana ilaina ao amin’ny faritanin’I Mahajanga. Tsy manao politika ny fikambanana saingy imasoany kosa ny asa sosialy ho fampandrosoana an’I Mahajanga. Rehefa heverina ho fampandrosoana an’I Mahajanga dia tohananay. Ho alamina ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany ny FIZAMAMI.
J. Mirija
Legende: Ny filoha Olivier Samy Harison sy ny ekipany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT