kolontsaina

Zanadranavalona Anosimanjaka Nankalaza ny taom-baovao eto Imerina omaly 5 jona


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Ivon’ny fankalazana ny Taom-baovao eto Imerina nomarihin’ny tarana-dRanavalotsimitoviaminandriana teny Anosimanjaka omaly alarobia 5 jona.

Lanonana isan-karazany nifanaraka amin’ny fomban-drazana izay natomboka tamin’ny fitondrana ny afo tsy maty teny an-toerana ny harivan’ny talata 24 jona teo no nanombohana ny hetsika. Havana maro avy amin’ny lafivalon’ny nosy toy ny fanao hatramin’izay no nasaina tamin’izany. Nomarihin’ny filohan’ny fikambanana, ny Andriana Ravelonarivo Alain Eddie, mialoha tamin’ny vahoaka fa voatery nakisaka ho ny 5 jona ny ivon’ny fankalazana ho fanajana ny fomba amam-panao Malagasy ifadiana ny fanaovan-javatra amin’ny andro talata satria tsinana ny alin’ny alatsinainy 3 jona ny volana, tamin’ity taona ity ka ny talata 4 jona no andro voalohany amin’ny volana alahamady. Nentaniny  ny rehetra amin’ny fitazonana hatrany ny nentim-paharazana mba tsy hahapotika ny maha izy azy ny firenena. Efa 319 taona no nanamarihan’ny Zanadranavalona ity taom-baovao ity na inona sakana na inona mba tsy hahavery anarana ny taranaka, hoy izy, sady notsiahiviny ny rohy ifanohizan’ny fomba amam-panao malagasy maro amin’ny an’ny Arabo noho ny fifandraisana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta. Nampahafantariny omaly ny fahavitan’ny asam-pikarohana momba ny tetiaran’ny tarana-dRanavalotsimitoviaminandriana izay azon’izay mila alaina manomboka izao. Nisaotra ny fitondrana tamin’ny fahatanterahana ny fangatahana ny haha andro tsy iasana ny taom-baovao ny Zanadranavalona, omaly.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT