kolontsaina

World Music Hiavaka ny fiarahana amin’i Davis


  • Zoma 05 Martsa 2021

Revy hafa mihitsy no iarahana amin’ny mpanakanto mpiangaly ny World music, Davis,

 

 

 etsy amin’ny No comment bar ny alin’ny 11 martsa izao. Andeha irery ity mpanakanto ity raha ny fiarahana tamin’i Mika ao amin’ny tarika Mika sy Davis, mazava ho azy, no tena nahafantarana ny feony izay niavaka tokoa rehefa mihira an-dry “Ampelako”, “Amiako anao”, “Tsaiky joby” sy ireo Bolero nanamarika ny teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2010, izay tena nampamiratra an-drizalahy ireto. Niavaka ireny fotoana ireny sy izay fotoana manaraka mbola hiarahan’izy mirahalahy ireto ao aoriana kely ao, hoy ny firariana, fa ny amin’io alakamisy aloha izany dia mbola fiavahana hafa ihany koa satria ho sambany no hahita sy handre izany Davis mandeha irery izany. Ao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana no hanatontosana izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanamarihana sy fanazavan’ny mpikarakara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT