Hanolotra zava-baovao ho an’ny mpanjifany ny World Cola sy KFC manomboka amin’ity volana Jolay ity. Nampahafantarina omaly teny amin’ny KFC Akoor Digue ny andinindininy momba izany niarahana tamin’ny ekipan’ny
STAR sy ny ekipan’ny KFC. Nanamafy ny tanjona iombonany ny roa tonta amin’ny fanolorana toeram-pisakafoana mahafinaritra syvokatra tsara kalitao ho an’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Afaka jifaina amin’ny endriny « pression » eny amin’ny KFC Akoor Digue sy KFC Tana Water Front Ambodivona ny zava-pisotro vaovao World Cola araka izany. Anaty vera baoritra 35 sl no nanaovana ity endrika vaovaon’ny World Cola ity ho an’ny fanjifàna azy eo an-toerana sy hahazoana mitondra azy ihany koa. Tsara marihina fa vokatra eto Madagasikara ny World Cola ary nahazo ny marika « Malagasy Ny Antsika » toy ireo zava-pisotro vokarin’ny orinasa STAR rehetra. Nisy rahateo ny fanamarinana FSSC 22000 azon’ireo ozinina STAR rehetra manamafy ny rafi-pitondrana mikasika ny fiarovana ny akora fihinana voamarin’ny GFSI (Global Food System Initiative). Roa taona izay no nankafizan’ny mpanjifa malagasy ny akoho mendy izay mampiavaka ny KFC, efa hitaamin’ny firenena miisa 144 maneran-tany. Afaka mifamotoana hizara fotoana mamy ny mpinamana sy ny mpianakavy miaraka amin’ny World Cola manomboka amin’ny vidiny 9 900 Ariary. Mandritra ny volana Jolay dia afaka manara-po amin’ny World Cola ny mpanjifa ho an’ny tolotra jifaina eo an-toerana. Manomboka amin’ity herinandro ity kosa no hisy ho an’ny kaomandy aterina.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny tolotra teny amin’ny KFC Andohatapenaka omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.