kolontsaina

Wendy Cathalina Saika nivarina tanaty hantsana ny fiara nitondra azy


  • Talata 10 Mey 2022

Niharan-doza ny mpanankato Wendy Cathalina sy ny ekipany rehefa avy nanatanteraka fampisehoana tao Moramanga Bezanozano Hôtel ny Sabotsy 07 mey lasa teo nandritra ny fifantenana ireo vehivavy tsara tarehy

nandray anjara tamin’ilay Miss Majestics tany an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny marainan’ny 08 mey izy ireo no tra-doza rehefa nikasa hamonjy fodiana teto an-drenivohitra izany hoe ; afak’omaly. Tena nandeha mora tokoa ny fiara nitondra azy ireo hoy ny loharanom-baovao noho ny haratsian’ny lalam-pirenena faharoa sy ny tsy fahazaran’izy ireo manao izany.Na izany aza anefa dia nisy olana ara-teknika ilay fiara notaingena’izy ireo raha ny fanazavan'ireo olona mahay resaka fiara. Tsy nety nivily intsony mantsy ny familian’ilay fiara rehefa navily raha tsy nihinana ihany koa ny tsindry hisatra rehefa nitsahina. Efa tena nahazo sisina anefa ilay fiara nandritra izany ary hantsana be avy hatrany no tao ambadika. Nitongilana tany amin’ilay hantsana ilay fiara vokatr’izany niaraka tamin’ny ekipa rehetra. Nisy tamin’ireo ekipa no naratra noho izany. Raha araka ny fanazavan'ireo olona izay nijery ilay fiara moa taorian'ny tranga dia olana mikasika ilay "assisté" no nitarika ny loza. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza avy avokoa moa ny ekipa rehetra raha ny loharanom-baovao azo farany.
Nangonin’i Pati
Legende : Niheren-doza i Wendy Cathalina
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT