kolontsaina

Wakawaka Festival Ho avy eto Madagasikara i Grand P


  • Zoma 04 Novambra 2022

Ho avy eto Madagasikara i Grand P ilay mpihira, mpanao hatsikana, ary influanceur malaza be ao Guinée. Ao Sambava izy no hivantana mandritra ilay Concert Caritatif hotanterahiny ao anatin’ilay Festival Wakawaka ny 04

Desambra ho avy izao. Ny vola azo avy amin'izany dia entiny hananganana sekoly ao Sambava raha araka ny fantatra hatrany. Andrasana kosa ny fiaviany eto Antananarivo sy Toamasina aorian’io diany any Sambava io. Tsiahivina moa fa lehilahy lehibe efa 32 taona i Grand P. Tamin’ny 11 Oktobra taona 1990 izy no teraka tao Guinée.Tratran'ny aretina antsoina hoe : 'Progéria' izy fony fahakeliny antony nanakana ny fitomboany ka nahatonga ho toy ny zazakely 12 taona. Niharan'ny fanilikilihana sy eso isan-karazany izy vokatr’izany, antony nanangana ny Fondation GRAND P izay entiny hanampiana ireo olona manana olana tahaka azy ihany koa. Akany fitaizana zaza kamboty maro aty Afrika no efa ampiany sy tohanany amin'izao fotoana izao tahaka ny ao Guinée, Cameroun, Côte d'Ivoire….
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT