kolontsaina

Wada sy Yoongs Hampirevy ao Anat-saha


  • Talata 24 Aogositra 2021

Ayeee!! Tsy misy izay tsy mahalala izay tononkira zary lasa hiaka ao anaty tambazotran-tseraseran’izy mirahalahy izay ny mpanaraka izany Wada sy Yoongs izany ao anaty Facebook ao.

Tato ho ato dia ny fanentanana ny olona amin’ny alalan’ity tambazotra ity mba tsy “haka lagy” amin’ny fiainana no tena lasa nahafantaran’ny maro izany Wada sy Yoongs. Saika adinodino fa mpanakanto, mpihira manana hira maro tsy afaka am-bavan’ny betsaka koa, indrindra, ny tanora, izy mirahalahy ireto. Ankoatry « Ayeee » dia misy ny « Tsangory mivadika » koa any. Misy koa ireo vazo milalao teny sady mahatonga saina hiarahan-dry zalahy miasa amin’ireo mpanakanto namany toy ny « Miara mila », izay fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto, Malm. Eo koa ilay hoe « SAMVA » izay hiarahan’izy ireo amin’i Agrad. Hampirevy ao Anat-saha etsy amin’ny Route digue Andohatapenaka ry zalahy ireto ny tolakandron’ny 10 septambra izao. Tongava, hoy izy ireo, fa hisy ny tsakitsaky sy zava-pisotro maro isan-karazany eny an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT