kolontsaina

Vondron’ny mpikabary ankehitriny Namarana ny faha 3 taonany


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nikatona omaly ny fankalazana ny faha 3 taonan’ny vondron’ny mpikabary ankehitriny na ny VMPA, izay hivondronana fikambanana mpikabary miisa 15.

 

 

Araka ny fanazavan’ny filohany, Fitomiandalana, dia efa maro ireo hetsika nankalazana izay faha telo taona izay toy ny velankevitra mitety sekoly sy ny famoahana mpianatra mpikabary. Tetsy amin’ny CMDLAC Analakely kosa no namaranana ny fankalazana ary ny fanolorana ny mariboninahitry ny kanto toy ny Commandeur, officier ary chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny zava-kanto ireo 42 mianadahy mendrika izany kosa no namaranana azy. Isan’ny nahazo ny mari-boninahitra « Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture » izay moa ilay mpikabary sady mpihira sy mpilalao sarimihetsika malaza, Tcheck Julien Matsubara na Matsubara. Isan’ny endrika iray maneho ny maha malagasy, hoy ity mpanakanto ity, ny kabary. Eo amin’ny fiarahamonina dia misongadina foana ny olona mahay miteny ary lehilahy ny tena ka tsy afaka hitsoaka izany. Efa olom-panjakana ihany koa satria mpikambana ao amin’ny CFM ka tsy maintsy hisy fotoana hiatrehana fitenenana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT