Vondron’ny mpanakanto

“Alaviro ny Malagasy ny vava-basy, atsaharo ny herisetra”


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Alaviro ny Malagasy ny vava-basy satria ianareo foloalindahy dia teraka tao anatin’ny vahoaka Malagasy

ary mbola hiverina amin’ny vahoaka Malagasy, koa miantso anareo rahalahy sy anabavy ao anatin’io fa izahay mpanakanto dia tsy mankasitraka fampiasana herisetra amin’ny vahoaka Malagasy, ary tsy mankasitraka ny fanaovan’ny vahoaka herisetra amin’ny foloalindahy”, hoy ny fanambaran’ny Vondron’ny mpanakanto omaly niantso ny hampitsaharana ny herisetra satria maro niharan’izany, hatramin’ny kandida aza nisy naratra. Naneho izy fa ny mangina ny fiarahamonina raha tsy eo ny mpanakanto, ary diso izy ireo raha mangina eo anatrehan’izao herisetra sy fanosihosena ny zo maha olona izao ary fanakantsakanana ny fahalalahana maneho hevitra izao. Mametraka arofanina satria misy miteny fa ny fandresena dia fanaovana sorona ny aim-bahoaka, ka rehefa misy maty izany dia lazaina fa fandresena. Sao mba fotoana izao hampandresentsika ny fandresen’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ary ny filaminana? hoy izy ireo tamin’ny alalan’I Dama Mahaleo. Nohazavainy fa azo porofoina izany, ary nandritry ny 10 andro dia efa mahazo vahana ny fandresen’ny filaminana ao anatin’ny diaben’ny filaminana fa tsy voatery misy maty vao misy fandresena. Diso eo anatrehan’ny tantara raha mangina satria tsy natao hamalifaliana amin’ny propagandy foana ny mpanakanto, ary tsy eo ihany no misy dikany izy ireo, fa mpanakanto foana na inona na inona fitondrana misy eo, hoy hatrany ny fanambarana. Nomarihin’I Dama fa sambany nisy kandida nitambatra fa tsy nisaraka rehefa tonga ny fampielezan-kevitra, ary tena nitandro tahaka ny anakandriamaso ny filaminana izy ireo. Izao no ady hametrahana ny filaminana, ady no nampitambatra ny kandida hamakivaky an’Antananarivo, hoy izy, izay nanamarika eo anatrehan’ny fiarahan’ny mpanakanto amin’ny kandida samihafa, ka nilazany fa mandainga raha misy mpanakanto mankasitraka ny herisetra. Tsy resaka fombana kandida fa tena anatin’ny soatoavina Malagasy hoe: ny hery tsy mahaleo ny fanahy, ka andao, hoy Dama, hanorina firenena miainga amin’izany. Izay vao nisy kandida samy manana ny heviny fa nitambatra, ka izahay dia manohana sy manamafy fa tokony hapetraka ho làlam-piainana sy fitsipika hitondrana ny firenena ny filaminana, hoy hatrany ny fanamafisana. Voaporofon’ny tantara, hoy I Dama, fa izay fitondrana voapetraka tamin’ny alalan’ny herisetra dia toa voahozona hanao herisetra, ka maninona raha andeha hapetraka amin’ny filaminana ny raharaha?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT