Mitohy ny ady ataon’ny vondron-kery miady amin’ny hosoka na BAP (Brigade anti-piratage)
izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mizara 2 mazava tsara ny asan’izy ireo dia ny ady amin’ny hosoka sy ny fiarovana ireo harem-bako-pirenena. Olona miisa 49 no nalefa teny anivon’ny fitsarana tao anatin’ny 3 volana raha ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny vondron-kery miady amin’ny hosoka (BAP). Misy tamin’ireo no avy hatrany dia notanana am-ponja vonjimaika ary misy kosa ireo eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Ankoatra izay dia misy koa ireo andian’olona manao ny asa ratsiny ao anatin’ny harem-bakom-pirenena izay efa voasambotra ary efa natolotra ny fitsarana. Niampy isa ireo mpitandro ny filaminana handrafitra ny ekipan’ity vondron-kery ity ho fanamafisana ny ady izay atao. Notanterahana taorian’ny fananganan-tsainan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina teo amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy omaly ny lanonana fanolorana ireo ekipa vaovao ireo izay teo ambany fiahian’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Nisaotra manokana ny minisitra delege misahana ny Zandarimaria ny tenany tamin’ny fiaraha-miasa ka nanomezany ireto olombelona vaovao ireto hanatevin-daharana ny ady atao amin’ny hosoka sy ny fiarovana ny harem-bako-pirenena manerana ny Nosy. Tsy mitsahatra mitady olona manam-pahaizana manokana momba io ady amin’ny hosoka nomerika io ny BAP araka ny nambaran’ny mpandrindra, Rarivomanantsoa Eddy. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo olombelona rehetra mandrafitra ity vondron-kery ity indrindra hanenjehana ireo mpanao hosoka an’habaka izay mirongatra amin’izao fotoana izao. Ezahana kosa ny hampifanaraka ny fitaovana amin’izay hoy izy. Manentana ireo mpampiasa ny tambajotra ny tenany mba hiala amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny fanaovana kaonty fako ary mba ho vaovao marim-pototra no havoaka. Marihina fa ny ekipan’ny BAP dia ahitana miaramila, polisy, zandary ary sivily.
Pati
Legende : Ireo ekipa vaovao vao navoaka omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.