kolontsaina

Vohitra masin’Alasora Nanaovana famerenan-kasina


  • Zoma 29 Janoary 2021

Niverina nidina ifotony teny amin’ny vohitr’Ambohitrandriananahary omaly ireo

 

 

 

terak’Andriamananintany sy ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka, tarihin’ny filohany, Chandoutis Raoera, sy ireo solontenan’ny minisiteran’ny kolontsaina notarihin’ny tale jeneraliny, Francis Razafiarison, ary ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randriantsoa. Araka ny fanazavana, dia nisy nialohan’io ny fivoriana niarahana tamin’ireo olona namarotra sy nividy ity ampahan-tany ao amin’ny tendrombohitra masin’Alasora ity. Nodinihin’ny ministera raha tafiditra tokoa anaty ativory ity ampahan-tany novidian’ireo teratany sinoa ity ary voamarina fa izay tokoa no zava-misy, hoy ny fanazavana. Mbola hita teny an-toerana dia nalany avy eo ireo fitaovana hiasan’ireo sinoa, hoy ny filohan’ny Zon’olombelona mampandroso vahoaka. Fantatra ihany koa, hoy izy, fa nisy nandoro ity vohitra masina ity ary nisy nanimbazimba nitondra kisoa. Karazana famerenan-kasina noho izany no natao iny omaly iny, raha ny fanazavana hatrany. Nisy, araka izany, ny fitondrana ronono sy tantely teny an-toerana ho fanatontosana izay famerenan-kasina izay. Vohitra voalohany amin’ireo Vohitra masina 12 ity eny Alasora ity. Fototry ny firenena Malagasy io, hoy hatrany ny fanazavana, ka omena ny vahiny foana daholo ve ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT