kolontsaina

Vohitr’ Andriana eto Imerina Samy itoeran’ny hasim-piandrianana avokoa


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Ivondronan’ireo fokom-pianakaviana misy eto Imerina ny hasin’Imerina fa tsy voafehy amina vohitra na fokom-pianakaviana iray.

Maro isa ireo fokom-pianakaviana  eto Imerina raha tsy hitanisa afa-tsy ny Hova sy ny Manendy, ny Zaza manga sy ny Mainty enin-dreny ary ny Andriana sy ny Manisotra. Ireo vohitr’Andriana no itoeran’ny Hasim-piandrianana saingy samy manana ny hasiny ihany koa ireo fokom-pianakaviana rehetra. “Ireo fokom-pianakaviana Andriana sasany amin’ny ankapobeny no manimba hasina ireo fokom-pianakaviana misy, amin’ny fanindrahindrana  ny hasin’izy ireo na manambara mihitsy aza fa azy ireo na ny toerana misy azy ireo ihany ny hasin’Imerina”hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’ny Merina Ambohimanga Robert Randrianantoandro.Notsindrian’ity Andriana ity fa“Tsy misy azo tsinontsiniavina ireo fokom-pianakaviana rehetra misy eto Imerina ary samy manana ny hasiny itambarany amin’ny foko Merina”. Tsy ireo andriana rehetra anefa no voasahana ao anatin’izay fanivaivana fokom-pianakaviana hafa izay, fa ireo izay nanary ny fomba sy ny finoana maha-Gasy azy. Raha fehezina, tsy misy fokom-pianakaviana na vohitra iray afaka miteny fa izy ireo ihany no hasin’Imerina, toy izany koa ireo vohitr’Andriana rehetra misy eto Imerina dia samy itoeran’ny hasim-piandrianan’ny Merina avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT