kolontsaina

Vita Malagasy Nitombo lenta ny kalitao


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina ary hifarana rahampitso ny hetsika Tsena gasy.

 

 

Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, Mialy Rakotoarison, dia efa nisy andiany toy izao ihany koa ny 5,6,7 septambra teo. Antony sy tanjona tsinona ny hanandratra ny vita Malagasy. Efa nisy koa tamin’ny taon-dasa saingy ezaka atao ny hanao azy isam-bolana, hoy hatrany ny tenany, hampafantatra ireo mpamokatra vita Malagasy maro. Miisa 20 ireo mpandray anjara tamin’ity. Vokatra Malagasy avokoa no hita ato. Azo jifain’ny sarambabem-bahoaka ihany koa. Nisy fotoana ny entana Malagasy somary latsaka mihoatra ny entana vahiny ka noho izany indrindra no anton’izao fanasongadinana ny vitantsika izao. Somary sarotsarotra io, indrindra, tao anatin’ity hahamehana ity saingy tsy azo ajanona ny ezaka, hoy hatrany ny fanazavany, satria efa nitombo lenta ilay kalitaon’ny vita Malagasy ankehitriny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT