kolontsaina

Vita Malagasy Hitohy ny fampahafantarana ny sangan’asan’i Hardi Bourges


  • Zoma 05 Novambra 2021

Nanomboka tamin’ny hetsika filatroana goavana na défilé tetsy amin’ny Ange Doré Anosy ny 30 oktobra 2021 ny fampahafantarana ny sangan’asan’ilay mpanjaitra sy mpanakanto momba ny volo ary endrika amam-bika Malagasy,

 Hardi Bourges. Nosalorana ny anarana hoe “Masterpiece made in Madagascar by Hardi Bourges” ireto vokatra ireto, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Mvola izay mpanohana ofisialy izany. Maodely tokana ary amina isa voafetra izany. Ahitana ireo karazana akanjo fianjaika maro toy ny palitao sy somizo ary irony antsoina hoe “trench-coat” irony. Heverina ho isan’ny sangany tsy amin’ny resaka fanjairana ihany ity mpanakanto Malagasy ity, hoy hatrany ny fanazavana, fa isan’ireo maha tolagaga koa ny sangan’asany amin’ny resaka taovolo sy fikojana endrika amam-bika. Efa azo jifaina amin’ny alalan’izay Mvola izay sy azo jerena eny anivon’ireo tambazotran-tserasera isan-karazany ihany koa ireo vokatra vita Malagasy nataon’ity mpanakanto ity, raha ny fanazavana hatrany, ary hitohy rahateo, araka izany, ny fampahafantarana izay sangan’asa izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT