kolontsaina

Village Touristique - Mahajanga Tovolahy 15 taona natelin'ny ranomasina


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Nitelina olona indray ny ranomasin'i Mahajanga.

Tovolahy iray 15 taona miala sasatra ao Mahajanga ilay niharan-doza omaly alarobia 6 septambra 2017 tamin'ny mitatao vovonana ary tsy mbola hita mandra-pilentiky ny masoandro. Mamonjy fifaninanana baolina kitra no nahatongavany ao Mahajanga. Sivy lahy izy ireo no nilomano teny amin'ny “Village Touristique” ary tena nandeha teny afovoan-dranomasina tokoa. Nilentika tampoka anefa ny roalahy raha ny fitantaran'ireo namany ary tsy nipoitra intsony ny iray. Mbola anatin'ny fikarohana ireo mpamonjy voina sy ny zandary avy amin'ny Brigade Port ao Mahajanga. Efa nisy ny naoty navoakan'ny prefektioran'i Mahajanga sy ny faritra Boeny manamafy fa tsy azo atao ny milomano na mandro eny an-toerana ary efa nasiana soratra eny saingy maro ireo tsy manaraka, indrindra ireo vahiny.

Vahaniaina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT