Village Touristique Mahajanga

Nisy ireo sosotra tamin’ilay hetsika fampilalaovana alika


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Niteraka olana sy resabe tao Mahajanga ny hetsika fampilalaovana alika « Mahajanga Dog Event »

tao amin’ny Village Touristique. Nanambara ny Mpanjaka Ben'ny Boeny Dina ao an-toerana fa manameloka ireo mpikarakara sy mpanome fahazoan-dalana manao ity hetsika ity. Toerana manana ny tantarany ny eny amin'ny village touristique, hoy izy ka tsy tokony ho tsiratsiraina ny ranomasina. Andaniny, voalaza fa tsy nahazoana alalana io hetsika io, raha ny voarakitry ny fitanana an-tsoratra N°172-24/CU/ MGA/DS/DFCC/CSR navoakan’ny Division Contrôle de déclaration eo anivon’ny Minisiteran’ny atitany any an-toerana ny 8 mey. Voalaza fa tsy nahafeno fepetra ny ACYMA (Association des Cynophile de Mahajanga), ka mbola tsy nahazo alalana, ary tsy mbola nandoa ny haba mifandraika amin’ny hetsika. Inona izany ny mety ho fepetra sy fanapahan-kevitra eo anatrehan’ny fanamelohana samihafa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT