VELONA MANDRAKIZAY, ANTSA PASKA 2025

Hanome hafanana ny lanonana ny antokom-pihira Orimbato


  • Zoma 18 Aprily 2025

Toy ny fanaony isan-taona dia hanolotra amboarankira Paska ny antokom-pihira Orimbato .

Amin’ny Alahadin’ny Paska 20 Aprily ho avy izao manomboka amin’ny 3ora sy sasany hariva no hanatontosana izany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanana endrika miavaka ny fampisehoana amin’ity taona ity satria hiarahany miasa amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) noho ny faha 190 taonan’ny nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy. Hanana endrika roa ity hetsika ity. Ny voalohany dia ny fampirantiana momba ny tantaran’ny Baiboly Malagasy, izay nandalo vanim-potoana fito rehefa namoaka didy Radama I fa ny soratra latina no hanoratana ny teny malagasy tamin’ny taona 26 martsa 1823. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fandikana ny Baiboly isika malagasy tamin’ny alalan’ireo nantsoina hoe : ny roa ambinifololahy. Ny Baiboly Malagasy dia vita printy tamin’ny 21 Jona 1835 ary zokiny indrindra amin’ny fiteny samihafa eran’i Afrika. Ny endrika faharoa dia ny amboaran-kira izay narafitra amin’ny ankapobeny tamin’ny sanganasan’ireo mpamoron-kira anivon’ny antokom-pihira Orimbato. Ahitana fizaram-potoana roa izany ka ny tapany voalohany dia handrenesana ireo hira momba ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. Ho re mandritra izany ny Kalvary (Fara Ratovo), Velona ny Tompo (Razafindramanga Minoniaina), Derao Izy (Emma Razafimamonjy) ... Ny tapany faharoa kosa izay atolotry ny mpanentana avy ao amin’ny FMBM, izay hifantohana amin’ny teny fanevan’ny faha 190 taonan’ny Baiboly malagasy manao hoe: MANDRE, MANDRAY ary MAMOA izay hoelanelanin’ny hira tsy mbola fandre toy ny : Fiderana ny Mpamorona (P.Andriantsalama) Teny soa (J. Rakotonirainy), Hanompo Anao (Tsiresy Rajaonarifetra), ...Hisy ny fahatsiarovana hozarain’ny Orimbato, amin’io fotoana io, izay marihina fa tsy misy vidim-pidirana.
Pati
Legende : Hafana tahaka izao ny fampisehoana hiarahana amin’ity antokom-pihira iray ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT