Tafatsangana soa aman-tsara ny fikambanam-behivavy mpanao sy mpilalao echecs eto amintsika.
Chess Her Way no anarany, afaka mandray ireo ankizivavy, tovovavy ary vehivavy liana amin'ny fanaovana échecs na efa mahay na tsia. Afak'omaly Sabotsy 19 Jolay no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny fijoroan'ny fikambanana manana tanjona hampiray hina ny vehivavy, hahatoky ny tenany, hahaleotena ihany koa ary ho mpitarika hatrany na dia amin'ny fiatrehana ny fiainana andavanandro aza. Nambaran-dRazafindrabe Bakoly Filoha lefitry ny Fikambanana fa afaka mandray mpianatra hatrany izy ireo indrindra fa amin'izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao. Nomarihiny manokana moa fa miavaka ny olona mahay échecs raha oharina amin'ny olon-tsotra. Maranin-tsaina mantsy izy ireny, manana paikady hahafahana mihoatra ireo karazana olana mety ho sedraina ihany koa no sady mahatoky ny tenany ho lasa lavitra.
Pati
Légende : Ireo vehivavy mpikambana tetsy amin'ny IFM Analakely !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.