VEHIVAVY ANY AMIN’NY FARITRA

Mbola betsaka ireo tsy alefan-dRay aman-dReniny mianatra…


  • Talata 13 Mey 2025

Mbola tsy misitraka ny zony ny ankamaroan’ireo zazavavy any amin’ny Faritra.

Betsaka ireo tsy alefan-dRay aman-dReniny mianatra akory fa miandry vady. Tsy mbola manan-tsafidy koa anefa fa alefa manaraka ireo lehilahy mpanan’omby rehefa misy mangataka ka rehefa malozotra sy mihalany mamy dia soloin’ny lehilahy mpanan’omby ankizivavy hafa indray. Io ilay antsoina hoe : Moletry hoy Ramatoa Rahaingosoa Louise Odette. Ilaina fanentanana goavana sy fanovana ny toe-tsain-dRay aman-dReny mihitsy izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Mandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana no hanaovan’izy ireo hetsika mifandraika amin’izany. Hisy ny fanitsiana ny fomba fitaizana ny zazavavy mba ho afaka hivelatra sy hisitraka ny zony feno izy ireny. Ny 31 Jolay ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana any amin’ny distrikan’i Bealanana, Faritra Sofia. Haharitra 3 andro izany ka hisy ny trano eva hampirantian’ireo fikambanam-behivavy ny asa tanana sy ny vokatry ny tany mampahalaza iny faritra iny. Hisy ihany koa ny fampianarana mamboly mangahazo izay tokony hahazoana 50Kg ny fototra iray ao anatin’ny enim-bolana arahin’ny fanamboarana savony. Mba ho tombontsoan’ny vehivavy no tanjona, hanatsaran’izy ireny ny velontenany. Tsy vesatry ny fiaraha-monina araka ny fahitan’ny sasany azy mihitsy mantsy ny vehivavy fa tena fanoitry ny fampandrosoana ary mahavita zavatra lavitra noho ny lehilahy rehefa afaka mivelatra sy mahazo tohana.
Pati
Legende : Rahaingosoa Louise Odette, anisan’ireo tompon’andraikitra mikarakara ny hetsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT