kolontsaina

Vehivavin’ny faritra 22 Hasandratra etsy Mahamasina


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy na ny 8 martsa dia hisy ny hetsika « Vohitra kanto fihary » izay hiarahan’ny minisiteran’ny mponina sy ny orinasa Mada vision mikarakara etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 2 ka hatramin’ny 5 martsa izao

 

. Teny filamatry ny hetsika moa ny hoe « Fotoana izao hampisandratra ny fiainan’ireo vehivavy mikatroka eny ambanivohitra sy an-tanan-dehibe. » ary hahatongavana amin’izany indrindra dia hetsika arahina asa mampiseho ny fiharian’ireo vehivavy manerana ny faritra 22 no haseho eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara, Harilala Ramanantsoa. Hisy ny tranoheva manokana ahafahan’ireo mpisehatra mifanakalo traikefa eo amin’ny fahaiza-manaony avy. Hampahafantarana ny zony, ny tokony ho toe-pahasalamany miatrika ny asany, ny fandraharahana mety amin’ny vehivavy  sy hafa marobe. 150 moa ireo tranoheva handray anjara ka ny 20 amin’ireo ihany no hiompana amin’ny fanatsarana endrika amam-bika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT