VATOBE AO AMBATOMANGA

Efa azo tsidihina,


  • Talata 16 Desambra 2025

200 ka hatramin'ny 500 Ar ny saram-pidirana

Efa azo tsidihina ilay Vatobe ao Ambatomanga, kaominîna ambànivohitr'Ambatomanga. Ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny Foibe Tahiry Lovako sy ny kaominina ambanivohitr'Ambatomanga no mitantana ity Harembako-pirenena "Vatobe Ambatomanga"ity. Nisy ny fivoriana nataon'ireo farany nametrahana ny lamina rehetra momba ny fandraisana ny mpitsidika, ny mpandray vola (percepteurs) ary ny mpitari-dia (guides) izay hiasa ao amin’ny Toeram-bakoka, taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Harembako-pirenena « Vatobe Ambatomanga ». Efa misokatra araka izany ary efa azo tsidihina ny Vatobe Ambatomanga manomboka izao. Ho fanomezana fahafahampo ny rehetra no tanjona, indrindra ao anatin'izao fialan-tsasatry ny fetin'ny Noely izao. 200 Ariary ny saram-pidirana ho an’ny ankizy raha 500 Ariary ho an’ny olon-dehibe teratany Malagasy. 5 000 Ariary kosa ho an’ny teratany vahiny. Mandray ny fitarainana sy ny fanamarihana rehetra mikasika ny kalitaon'ny fandraisan'olona ny kaominina Ambatomanga sy ny Foibe Tahiry Lovako hoy ny fanazavana azo.
Pati
Légende : Tahaka izao ilay vatobe ao Ambatomanga !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT