VARIKA ETO MADAGASIKARA

Ahiana ho lany tamingana ny 90%


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Tandindomin-doza tanteraka ny varika eto amintsika. Ahiana ho lany tamingana ny 90%

vokatry ny tsindry mahazo azy ireo toy ny fizahana azy tsy amim-piheverana, ny fiompiana azy…. Misy karazany 112 isa ny varika eto amintsika, raha tsiahivina ary samy manana ny mampiavaka azy avokoa izy ireny. Ny 12 amin’izy ireo dia hita ao amin’ny faritra arovana Maromizaha, toy ny Babakoto, ny Aye aye, ny varikandrana, ny varika mena, ny varika mavo, ny simpana, ny fotsy fe, ny tsidy, ny tsidy ala, ny tsitsihy, ny tranga lavaka ary ny Bokombolo izay efa tantanan’ny GERP. Hohamafisina araka izany ny fiarovana ireo biby ireo ary hohatevenina ihany koa ny fampahafantarana ny lalana ho an’ny isam-batan’olona mifandraika amin’izany. Betsaka mantsy ireo mbola tsy mahalala fa voararan’ny lalana ny fihazana sy ny fihinanana ary ny fiompiana azy ireo noho izy ireo biby arovana tafiditra ao anatin’ny tovana voalohan’ny CITES. Nomarihina ny 27 Oktobra lasa teo ny androm-pirenena ho an’ny Varika. Tao Maromizaha no toerana nanamarihana izany. Tsiahivina moa fa tamin’ny 18 Avrily taona 2018 no nanomezan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy ny GERP ny famindram-pitantanana ny faritra arovana ao Maromizaha izay manana velaran-tany 1880 ha eo ho eo. Nangonin’i Pati

Legende : Biby mampiavaka an’i Madagasikara ny varika ka tokony arovana fatratra mba tsy ho lany tamingana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT