Vanim-potoanan’ny famadihana

Misy ny kaominina mandray fepetra hisorohana ny aretina


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanaovana famadihan-drazana

isika eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao. Nanomboka tamin’ny volana Jolay teo izy io ary tsy hifarana raha amin’ny fiandohan’ny volana Septambra any ho any. Ankoatra ireo mahavita fasana ary mamindra razana dia tsy vitsy ireo manokatra fasana mihitsy mba hamono ny razana rehetra ao anatiny ho fangatahim-pitahiana sy tso-drano, indrindra amin’ireo loharano nipoirana. Betsaka ireo kaominina efa mandray fangatahana avy amin’ireny fianakaviana ireny amin’izao. Ho an’ny kaominina Alasora eny Avaradrano dia nambaran’ny Ben’ny tanana fa nisy ny fepetra tsy maintsy noraisina ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Tsy maintsy eo an-tokontanim-pasana ihany ohatra no fonosana ny razana ary tsy azo entina mandehandeha raha tsy misy vata…Tsiahivina moa fa ankoatra ny aretina Pesta dia atahorana mafy koa ireo karazan’aretina hafa rehefa misy fasana misokatra tahaka izao eto amintsika.
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo mitondra razana mandehandeha tahaka izao any ambanivohitra any !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT