kolontsaina

Vaky boky Tsy mahaliana ny Malagasy intsony


  • Talata 20 Febroary 2018

Azo lazaina ho maro raha mahatratra 10 isa eo isan’andro ireo liana amin’ny famakiam-boky sy mitsidika ireny tranomboky ireny ankehitriny, raha ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mpivaro-boky sy tranomboky manodidina an’Ambohijatovo sy Analakely.

 

 Nihena be vokatry ny fandrosoan’ny hairaha vaovao amin’izao vanin’andro izao ny fahalianan’ny sarambaben’ny olona, indrindra ireo tanora mamaky boky. Ireo mpivaro-boky aza moa dia velon-taraina mihitsy fa misy fotoana tsy mahalafo na 1 aza kanefa dia misy ao aminy daholo ny karazam-boky rehetra toy ny tantara an-tsoratra sy an-tsary. Hita ho be mpitady kosa ireo tantara an-tsoratra frantsay nosoratan’ireo mpanoratra zandriny taty aoriana toa an-dry Guillaume Musso sy Michel Leeb. Hita ho efa voaterin’ny fandaharam-pianarana kosa, raha ny fanazavana, ireo tanora eny amin’ny lisea  vao mitady ireo boky mirakitra tantara an-tsoratra Malagasy, toy ny “Mitaraina ny tany” sy “Bina”.Tsapa fa tsy mazoto mamaky boky intsony ny Malagasy kanefa io ihany no tena haingana mampatsilo saina araka ny fandinihan’ny manampahaizana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT