kolontsaina

Vaky boky Lasa mitaiza ireo mponina eny amin’ny faritra iva


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Zary lasa fialam-bolin’ireo ankizy sy olon-dehibe eny amin’ny faritra ambany tanana eto an-drenivohitra amin’izao ny vaky boky no sady fanovozam-pahalalana ihany koa. Voakasik’izany ny “Centre de lecture et d’information et de la culture” ( CLIC) etsy Antohomadinika, izay mandray ankizy sy olon-dehibe manodidina ny 1.000 isa hatreto raha araka ny fanazavan-dRaonison Andrianjaka, tompon’andraikitra eo anivon’ny tambajotra CLIC eto Antananarivo.

Mpikambana avokoa ireo 1.000 isa ireo afaka mitondra boky mody any an-tokantranony isan’andro…Tena nanova ny fiainan’ireo mponina tokoa ny fisian’ity CLIC ao Antohomadinika ity, raha araka ny fanadihadiana raha toraka izay ihany koa  ireo CLIC miisa 25 manerana ny Nosy izay efa novatsiana solosaina hahafahana mikirakira solosaina ny ankamaroany. Tonga nanavao ny fiaraha-miasany amin’ireo CLIC ireo ny vondrona STAR omaly ka nanolotra lela-vola mitentina 7.200.000 Ar. Ny mba hahafahana manofana ireo tompon’andraikitry ny CLIC rehetra no tanjona amin’ny alalan’ny fikambanana Trait d’Union angady nananana sy vy nahitana izany. Tsiahivina moa fa tohanan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fondation Hachette ary ny Masoivoho Frantsay ny CLIC. Olona maherin’ny 200.000 isa hatreto no efa manovo fahalalana eny anivon’izy ireo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT