kolontsaina

Vakokoa sy harem-pirenena Maro no re hoe mihitsoka any Frantsa


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Ny 14 septambra 2018 no nalaza ho nisy nahita tao Paris- Frantsa, ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona I izay very tao amin’ny

 

 

lapan’Andafiavaratra ny 3 desambra 2011 saingy mbola very an-javony hatreto ny raharaha. Miteraka resabe koa ankehitriny ny fangatahan’ny fanjakana Malagasy hamerenana ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona III izay mihitsoka any Frantsa ihany koa nanomboka tamin’ny fanjanahantany. Nisy izay tetikasa famerenana izay saingy tsy raikitra ihany koa raha ny fampitam-baovao avy any ivelany. Ny taratasy nalefan’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, tamin’ny filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, ny 20 febroary 2020 moa dia manazava fa tsy ity satroboninahitra ity ihany fa ireo fananana ara-kolontsaina rehetra mihitsoka any Frantsa no hangatahan’ny firenena Malagasy hampodiana satria fotoana tokony hamerenana ny maha izy azy ny Malagasy sy ny tantarany izao. Raha ny fanazavan’ny mpanao gazety sady mpahay tantara frantsay nanadihady izany, Didier Rykner, kosa dia tsy satroboninahitra velively ity ambaran’ny filoha Malagasy ity fa famantarana ny fiandrianan’ny mpanjaka ary vita amin’ny Zinc sy lamba. Nisy nangalatra teto Antananarivo ny taona 1991 kosa ilay tena satroboninahitra. Raha ny tokony ho izy dia ny 26 jona 2020 teo no tokony niandrasana ity fananam-pirenena ity saingy ny fanjakana Malagasy no nanapa-kevitra ny hampiato izany, raha ny fampitam-baovao avy any hatrany. Ankoatran’izay moa dia eo koa ity resaka nosy manodidina ity izay mbola andrasana ny tohiny.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT