Vakoka iraisampirenena

Noresahina tao amin’ny oniversiten’i Jiangxi ny Kabary


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Anisan’ireo oniversite voasokajy ho isan'ny tsara indrindra any Chine ny «Université normal Jiangxi».

Misy mpianatra malagasy mianatra ihany koa ao amin’io sekoly ambony io, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Isan’ny mahaliana ireo mpianatra mpikaroka any an-toerana ary nanaovan’izy ireo fikarohana sy famelabelarana manokana mihitsy ny mikasika ny Kabary. Tsiahivina hatrany fa kolontsaina sy riba malagasy moa ny Kabary. Izay hoe «Kabary» izay mihitsy koa no anarana mahafaobe na «universel» iantsoana azy manerana izao tontolo izao fa tsy hoe Kabary malagasy akory na zavatra hafa. Tsy vakom-pirenena ihany intsony koa ankehitriny ny Kabary malagasy fa efa tafiditra anatin’ireo vakoka iraisampirenena na maneran-tany an’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana izany na ny UNESCO, izany hoe isan’ireo antsoina hoe «Patrimoine mondial de l’UNESCO». Heverina hatrany anefa fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny firesahana izany kolontsaina malagasy izany any amin’ireo firenen-dehibe tahaka izao nataon-drizareo sinoa izao. Teto moa izany dia noresahina tao amin’ny oniversiten’i Jiangxi izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT