Vakodrazana ho an’ny ankizy

Nivoaka ny boky rakipeo “Kalo” andiany fahatelo


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny fivoahan’ny andiany faha 3 na “volume 3”

amin’ny boky rakipeo na “livre sonore” mitondra ny anarana hoe “Kalo” izay mirakitra ireo vakodrazana malagasy natokana ho an’ny ankizy na “comptine”. Ireo matihanina amin’ny mozika malagasy toa an’i Liantsoa Emadisson sy Sammy Andriamanoro no niara-niasa tamin’ireo tomponkevitra sy namorona ny boky dia i Antsa Andriamiadanarivo sy ny vadiny.Tanjona, hoy ny fanazavana, ny hanandratra ny mozika malagasy sy hitahiry ihany koa ny lazan’ireny kalo fanabeazana nandrotsirotsy ny fahazazana ireny. Ny taona 2021, raha tsiahivina, no nivoahan’ny vokatra voalohany tamin’izao boky izao. Ny taona 2022 no faharoa ary 2023 no fahatelo sy ny famokarana indray izay andiany voalohany izay. Iarahantsika mahalala ankehitriny fa tena voasarika amina Fimaso na “Ecran” ny zaza sy ankizy amin’izao fotoana izao. Heverina, noho izany, fa ny vokatra toy itony dia sady hanampy ny ankizy ho tia boky no sady tia mozika. Miisa 5 ny hira ao anatin’ny boky izay sady miravaka soratra sy sary, raha ny fanazavana hatrany. “O I O! Andeha hianatra izahay!”, “Misy trondro vaovao…”, “Iza iry ambony iry ooo!?” moa no santionany amin’ireo hira fanabeazana heno anatin’ireto vokatra 3 karazana ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT