kolontsaina

Vahoaka malagasy Avereno amin’ny hasiny, hoy ny ABA


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Nivalona iny ny taona 2018, tontosa ihany koa ny fifidianana ho filoham-pirenena ary miandry ny valiny avy amin’ny HCC isika.

 

Fanaovana tombana mikasika izay vita sy tsy vita ihany koa nandritra ny taona vao ho avy nodiavina izao ho an’ireo rafitra rehetra misy isam-pirenena, anisan’izany ny antoko politika. Ho anay manokana, hoy ny avy eo anivon’ny Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA) tarihin’ny filoha nasionaliny, Dany Rakotoson, dia ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka foana no tanjona. Antoko mpanitsy fa tsy mpanohitra ary vonona ny hanohana izay mpitondra tonga eo. Nahavita nanohana sy namoaka kandida izahay ary ny asan’ny mpanao politika moa dia iankinan’ny fampandrosoam-pirenena. Andraikiny ny mamoaka politika mikasika ny lafin-javatra rehetra. 25 tapitrisa isika ary be velarana ny tanintsika. Be ireo vahiny mitsiriritra ka ho tompony mangataka atiny isika raha tsy mandray ny andraikiny ny mpanao politika. Noho izany, havereno amin’ny hasiny ny vahoaka ary mila mamerina ny hasinay izahay mpanao politika, hoy hatrany ity mpanao politika ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT