kolontsaina

URBAN SHOW Hampiala voly ny tanora eto an-drenivohitra


  • Talata 19 Septambra 2017

Hanome fotoana manokana ireo tanora eto an-drenivohitra amin’ny alalan’ilay hetsika antsoina hoe :

“Urban Show” izay hotanterahina eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny Media Consulting ny 24 hatramin’ny 26 septambra ho avy izao. Hetsika maro no handravaka ny fotoana, hoy Ramatoa Andriamasinoro Bodo, tompon’andraikitra ara-barotra eo anivon’ny Media Consulting. Anisan’ireny ny fomba fitafin’ny tanora amin’izao fotoana izay hanaovana fanadihadiana manokana mihitsy ny niaviany, ny finday ahitana ireo karazana kilalao maro samihafa mahaliana ny tanora amin’izao,  ireo fitaovam-pitaterana malazabe fampiasain’izy ireny toy ny bisikileta sy ny môtô,  ny sakafo…Tanjon’ny mpikarakara  ny hamondronana tanora mihoatra ny 10.000 isa tsy hanao tsinontsinona ny kolontsaintsika Malagasy nefa  tsy tara amin’ny fihazakazahan’ny fivoarana avy any ivelany. Harahina kaonferansa maro samihafa ny hetsika hiantefa manokana amin’ireo lohahevitra mahaliana ny tanora mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT