kolontsaina

TVM SY SCOOP DIGITAL Mitady mpilalao sary mihetsika vaovao


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Mitady mpilalao sary mihetsika vaovao hanome aina ilay tantara mitohy “Tsy misy mipika” ny televizona Malagasy sy ny tranom-pamokarana Scoop digital.

Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny TVM  izany ka hisy mihitsy ny fandaharana manokana handeha amin’ity haino aman-jerim-panjakana ity hanarahana ny fivoaran’ireo mpilalao hofantenina anatin’ny casting. Nisokatra ny Alakamisy lasa teo ny fisoratana anarana hifarana ny 09 Jolay ho avy izao. Azo raisina ao anatin’izany avokoa ny sokajin-taona rehetra raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara raha amin’ny tapaky ny volana Aogositra ho avy izao kosa no hanomboka handeha amin’ny TVM ity tantara mitohy vaovao iray ity. Marihina moa fa hanana endrika nasionaly  ny fifantenana  satria dia  hivelatra amin’ny foko sy karazana kolotsaina maro samihafa ny mason-tsivana. Tsy voatery ireo efa nanana traik’efa teo amin’ny filalaovana tantara  an-tsehatra, toy ny teatra nefa no voaray fa mitovy avokoa ny rehetra.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT