kolontsaina

Turdi Ovule Vorona malagasy tsy manatody fa mitondra vohoka


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Ny Turdi Ovule no vorona malagasy tsy manatody fa mitondra vohoka hitan’ny siansa,

raha ny vaovao nampitain’ny Wilson Journal of Ornithology, izay gazety siantifika mandinika izany tamin’ity taona 2024 ity. Nanaitra ny mpanara-baovao ankoatra izay ny faran’ny herinandro teo ny nahafantatra fa tsy mila manorim-ponenana eny ambonin’ny hazo ity karazam-borona iray ity. Aorian’ny fitondrana vohoka dia miteraka roa ny vavin’ity vorona ity. An-kavitsiana koa anefa ireo mitoe-jaza miisa 3 mifono tsara anaty kitapo hoditra na «cuir» voajanahary. 4 ora aorian’ny fahaterahany kosa dia efa afaka manidina ireo zana-borona. Tranga maningana amin’ny tontolon’ny vorona koa io, raha ny fanazavana. Ilay mpahaivorona na «ornithologue» kanadianina, Letitia Balls, moa dia manazava ao amin’ny boky nosoratany, Our Unique Planet, fa na eo aza ny fitondran’ireo vavim-borona ireo vohoka be dia vitan’izy ireo ihany ny mifindra monina any amin’ny 20.000km any rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hifindran’izy ireo toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT