kolontsaina

Tsy voahaja ny fepetra ara-pahasalamana Nahavory olona 3000 ny Fitampoha-Fanompoambe 2020…


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Nankatoavina ny fanatanterahana ny hetsika ara-kolontsaina sy fomban-drazana « Fitampoha-Fanompoambe 2020 » ny 6 jolay teo tao amin’ny Doany Miarinarivo,

 

Doany Atsimo Tsararano Ambony Mahakanga na tsy sitraky ny CCO Boeny loatra aza, hoy fampitam-baovao. Nisy ny fifanarahana nifanaovan-tsonia mikasika ny fampiarana ireo fepetra rehetra ho fisorohana ny fiparitahan'ny covid 19, saingy tsy voahaja izany. Nanaiky mba hanatanterahana ny fanapohana ireo mpikarakara fa 50 ihany no hanotrona izany. Saingy tsy nitovy ny fomba fandraisana izany. Ho azy ireo dia ireo miditra ny Valamena sy ny Zombaben'Andriamisara efa-dahy manakasina no ferana ho 50 isaky ny miditra fa ny ivelany tsy maninona izay tonga ao. Ho an'ny CCO Boeny anefa dia ny tsy hisian'ny mpanotrona marobe mihintsy no tanjony fa ho kononkononin'ireo 50 tena tsy azo ialana io Fanompoambe io, efa hita taratra tamin'ny fanokafam-baravarana efa notateriko teto fa tsy mitombina mintsy, satria tamin'iny harinandro iny d'efa anarivony ireo tonga teto Mahajanga. Nandray fepetra araka izany ny Plateforme C4D (Communication pour le Developpement) - Région Boeny izay ivon'ny "Commission Communication & Mobilisation Sociale"- CCO Boeny ; nanamafy ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra tamin'ireo vahoaka tsy latsaky ny 3000 tonga namonjy ity fanapohana (Fitampoha - Fanompoambe) ity, ny amin'izay tokony hatao. Nanao izay ho afany ihany koa ireo mpitandro ny filaminana (OMC), tamin'ny baiko izay nomena azy ireo. Nahomby izany talohan'ny mitatao vovonana fa vao nihilana ny andro, nirodorodo nandeha andiany ireo mpanompo amin'ity fombandrazana Sakalava ity ka tsy voasakana tsy hitakosina sy hitangorona intsony. Tsy afaka nandefa ny mpanakanto JAOJOBY Eusèbe, nanotrona sy nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity, hoy hatrany vaovao azo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT