kolontsaina

“Tsy ny vary no very fa i Madagasikara” Naseho voalohany teny Ankorondrano


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Araka ny efa nampanantenain’ny mpamokatra, Voltage production niaraka tamin’ny antoko PSD, tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny Analakely tamin’ny alakamisy 19 jolay 2018 teo dia notontosaina teny amin’ny Scandal Buffet Akorondrano tamin’ny sabotsy 21 jolay teo ny “avant premier” na fampisehoana savaranonandon’ilay horonantsary nampitondraina ny lohateny hoe :

 

 “Tsy ny vary no very fa i Madagasikara” izay teny nataon’ny filoha Philibert Tsiranana nanehoana an-tsary ny fahapotehana sy faharavan’ny fandrosoan’i Madagasikara taorian’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra tamin’ny taona1972 ka nanenjehana azy sy tsy nahazoany naneho hevitra intsony. Nasehoan’ity horonantsary izay nitanan-dRtoa Eliana Bezaza zafikeliny sady filoha nasionalin’ny antoko  Psd ankehitriny ny anjara fototra voalohany fa nanana ny soatoavina nafonja i Madagasikara tamin’ny andron’ny repoblika voalohany ary nanjaka tanteraka ny fihavanan’ny samy Malagasy. Nivoana tanteraka  sy  niha nikorosofahana anefa ankehitriny ka nanjary nihamina tamin’izay hahazoam-bola fotsiny ny mponina.  Misy ny mahavita manaotao mamono olona mihitsy. Nahatsapa ny rehetra nanotrona fa misy zava-miafina maro tsara hofantarina sy lesona azo tsoahina ao anatin’ny tantara.

Marihina fa amin’ny 28 jolay no  halefa hojeren’ny rehetra ao amin’ny cinema Ritz izy ity ary mbola hoentina hitety an’i Madagasikara mialoha ny hamoahana azy ho DVD.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT