TSY FAHAMPIAN’NY

KOLONTSAINA NOMERIKA


  • Alatsinainy 29 Desambra 2025

Fototry ny fanodinkodinam-baovao eto Madagasikara

Ny tsy fahampian’ny kolontsaina nomerika eto Madagasikara dia mahatonga ny fiarahamonina ho marefo manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tsy marim-pototra.
JAMBAN'NY FACEBOOK
Ho an’ny maro, indrindra ny tanora, dia Facebook no lasa loharanom-baovao tokana, ka na ny olom-pirenena na ny andrim-panjakana aza dia miantehitra betsaka amin'io tambajotra io avokoa. Ny famaritan' ny maro ny atao hoe aterineto eto amintsika dia facebook. Maro anefa no tsy mahatakatra ny "algorithme" ampiasain'ny Facebook, mifototra amin'izay vaovao miteraka "interaction" betsaka kokoa, ka maro ny vaovao tsy marim-pototra hitan' ny masontsika mpampiasa Facebook voalohany, noho ireo vaovao voatrandraka tsara.
MILA FANABEAZANA NOMERIKA
Io tranga io no mahatonga ny olona ho mora voasariky ny tsaho sy ny fanodikodinam-baovao, indrindra amin’ny toe-draharaha ara-politika sy ara-tsosialy. Anton'izany ny tsy fahavononantsika malagasy tamin'ny Fahatongavan'ny nomerika. Tena nilaina tokoa io fandrosoana io, saingy tsy voafehintsika ny voka-dratsy naterak'izany teo amin'ny fiaraha-monina.Manoloana izany, ilaina ny fanabeazana nomerika ho laharam-pahamehana: ho an’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fahazarana manamarina vaovao sy mampivelatra "esprit critique", ary ho an’ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampidirana izany ao anatin’ny rafi-pampianarana sy ny fametrahana rafitra mpanara-maso mazava. Efa maro ireo firenena eto ambonin'ny tany, eny na ireo tandrefana aza, manomboka mametraka politika mazava amin'ny fifehezana ny tambajotran-tserasera. Eo ihany koa ny fampidirana ny nomerika any anaty fandaharam-pianarana.
(Isaorana i Hery Fifaliana Trimozafy)
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT