kolontsaina

TSISY MIPIKA Horonantsary hampialana voly ny fianakaviana


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Miezaka ny mamerina hatrany ilay kolontsaina takariva amorom-patana hahafahan’ny fianakaviana mihaona sy mitafatafa ny tranom-pamokarana “Scoop Digital”.

 Hivoaka anio alatsinainy indray mantsy ilay tantara vaovao novokarin’izy ireo mitondra ny lohateny hoe : “Tsisy mipika”, azo arahina isan’andro ao amin’ny fahitalavi-pirenena. Tantara mitohy fahefatra novokarin’izy ireo izy io ahitana fizarana miisa 250.  Anisan’ny havoitra ao anatin’ny tantara ny firesahana ny fiarahamonina amin’ny fomba mahatsikaiky nefa mampieritreritra koa. Tsy latsan-danja amin’izay ny fivoizana ny kolontsaina Malagasy nefa hitarafana ny fivoaran’ny toetrandro ihany  koa. Fihetseham-po maro no handravaka ny tantara, araka izany, toy ny hafaliana sy ny alahelo ateraky ny fitiavana vola sy harena nefa tsy nahitam-bahaolana…Mpanakanto sy mpilalao horonantsary efa manana ny maha izy azy avokoa no handray anjara ao izay marihina fa avy any amin’ny faritra avokoa ny 30 %. Toraka izany koa ireo valo mianadahy voafantina tamin’ny Casting farany teo notanterahin’izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT