Niteraka adihevitra sy fanamarihana maro ny tsy fahatongavan’ny
Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy Rajoelina, “Première Dame”, tamin’ny fandevenana an’i Tompokovavy Céline Ratsiraka. Araka ny nambaran’ny Solombavambahoaka Gascar Fenosoa, dia zava-dehibe ny fanatrehana sy fanomezam-boninahitra amin’ny fotoam-pandevenana toy izany, indrindra satria olobe farantampony teo amin’ny tantaran’ny Firenena no nodimandry, « première dame » naharitra indrindra. Raha tsy afaka ny Filoha, hoy hatrany izy, dia tokony ho Ramatoa vadiny no nanotrona. Izany no manamarika ny tsy fisian’ny fanajana ny soatoavina repoblikana, hoy ny fanamarihana nataony. Isan’ny nanampy sy nanolo-tsaina an’i Andry Rajoelina ny Amiraly Didier Ratsiraka, ary ny Filoha mihitsy aza no nilaza nialohan’ny nahafatesan’ny Amiraly fa mbola nifampiresaka, hoy i Gascar Fenosoa nampahatsiahy. Nisy ihany koa ny fanehoan-kevitra avy amin’i Paraina Auguste, Minisitra teo aloha sady mpikambana ao amin’ny Vovonana Firaisankina, izay naneho hevitra mifandraika amin’io. « Fanao ny fanomezam-boninahitra ataon’ny Filoham-pirenena am-perin’asa na ny « première dame », ny fandikana politika dia ny resaka depiote Sophie Ratsiraka ve no nahatonga izao satria ity depiote ity nanohitra ny zavatra nataon’ireo tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Tsy hitako mihitsy ny zavatra ohatran’ny tsy hitiavana ny « première dame »,… Tsy nanohitra i Mme Sophie Ratsiraka fa nilaza ny tsy nety, hoy i Paraina Auguste. Notsiahiviny fa ny fahendrena Malagasy tsy miady amam-paty, ka gaga ny besinimaro. Asa noho ilay fahadisoana fa nanao ny « kitay telo an-dalana » nolazain-dRtoa Mialy Rajoelina ve ? Ity fitondrana ity dia maro ny zavatra tsy fantatra, tena mampalahelo, ny kitay telo an-dalana mihitsy no noravain-dRtoa Céline Ratsiraka satria tsy mitovy tantana ny lehilahy sy vehivavy tao anatin’iny ka asa hoe : iza no nanoratra an’iny zavatra navoaka iny, hoy hatrany i Paraina Auguste. Raha aravona ireo dia mifandraika amin’ny hoe : raha olobe no lasa, dia tokony ho hita maso ny fanjakana amin’ny endriny ambony indrindra, ary hita taratra ny fanomezan-kaja sy fanomezam-boninahitra, izay fanao sy fahita eran-tany raha misy vadina filoha teo aloha nodimandry.
VALY BONTANA SY SERASERA
Nanome setriny ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Rtoa Mara Donna Volamiranty. Nilaza izy fa tsy teto an-toerana ny Filoham-pirenena mivady tamin’ny fotoana nisehoan’ny fahoriana. Na izany aza, dia nampita teny fampaherezana avy hatrany izy ireo, ary nanome tolo-tanana ara-pomba sy ara-teknika ho an’ny fianakaviana. Raha ny fanazavan’ny Minisitra, dia izy mivady no voalohany nampionona ny fianakaviana, ary niantoka ny fiaramanidina nitondrana ny razana avy any Antananarivo ho any Toamasina. Somary nanitikitika ny mpanara-baovao moa ny hoe : tany ivelany ve izany ny Filoha mivady ? Tsy nisy serasera ofisialy satria anaty fialan-tsasatra ny governemanta ? Naparitaka ny ampahan’ny horonantsary maneho ny kabarin’i Sophie Ratsiraka, depioten’i Vatomandry, nandritra ny fisaorana nataon’ny fianankaviany. Nilaza mazava izy fa mitoetra ny maha-Filoham-pirenena ny Amiraly Didier Ratsiraka, ary mipetraka ny maha-“Première Dame” an-dRtoa Céline Ratsiraka izay nodimandry. Nisaotra manokana ny Filoham-pirenena mivady tamin’ny fanampiana samihafa toy ny fanomezana fiaramanidina nitondrana ny nofo mangatsiakan-Rtoa Céline Ratsiraka niainga teto Antananarivo niazo an’i Toamasina, nampahatsiahy ny fanohanana samihafa tamin’ny fodiamandrin’ny Amiraly. Na izany aza, samy manana ny fomba andraisany ny zava-nitranga, ary tsy finiavana hanitatra an’ity resaka ity sy tsy ho sarotiny alohan’ny tompony, fa tsy dia toy ny fahita eran-tany ny sary nitranga. Ny andaniny naneho hevitra manoloana ny fahatsapany fa tsy dia araka ny tokony ho izy ny fihetsiky tokony ho hita maso avy amin’ny mpitondra, raha olobe no nodimandry. Ny ankilany kosa nanao serasera miezaka hanamarina fa nisy fandraisana anjara sy fanehoana fanajana, tonga hatramin’ny fanapariahana horonantsary misy fisaorana ny Fanjakana mba hanamarinana ny Fanjakana. Ilaina ve izany ? Sa izay ilay fitantanana voakorontan’ny Facebook ? Fitantanana miorina amin’ny Facebook ka lany andro any amin’ny famonoana afo amin’ny zavatra mety tsy tokony hiadian-kevitra hany ka ny tena fiainam-bahoaka adino ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.