kolontsaina

Tsikera momba ny fikitihana vako-pirenena Malalaka ny fanehoan-kevitra, hoy i Augustin Andriamananoro


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Manoloana ny tsikera fa manao tsinontsinona vako-pirenena ny fitondrana ankehitriny dia nilaza ny tale mpanatanteraka ny tetikasan’ny filoham-pirenena,

 Augustin Andriamananoro fa misy fanehoan-kevitra malalaka eto Madagasikara. Isaorana ny fitondram-panjakana satria zo fototra izany. Manana praograma ny fitondram-panjakana sy ny minisitera, hoy hatrany ny tenany, hanavao ireny vakoka ireny mba ho toerana mirakitra tantara holovain’ny taranaka faramandimby. Adidintsika izany. Tsy rehefa hitazam-potsiny isika na tsy handray andraikitra dia hisy fivoarana ny zava-misy fa mila fandraisana andraikitra. Ao anatin’ny fanajana ny soatoavina sy kolontsaina, hoy izy. Adala daholo izany ireo mpahay tantara, mpahay vakoka sy kolontsaina na mpandala fomban-drazana ihany koa izay mitabataba ankehitriny fa tsy voahaja izay sotoavina sy kolontsaina izay raha mikasika ity resaka fikitihana vakoka etsy sy eroa ity ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT