kolontsaina

Tsiahy an’i Michael Jackson Hipoka ny tranompokonolona Analakely


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Feno hipoka ny tranompokonolona Analakely ny sabotsy hariva teo. Azo lazaina ho niavaka ary mbola nampisongadina hatrany ilay mpanjakan’ny Pop Music,

 

 

Michael Jackson, mpanakanto nanana ny lazany teo anelanelan’ny taona 1980 mandrak’ankehitriny na dia efa nodimandry ny 25 jona 2009 aza ny seho izay natolotry ny Jackson boys Madagascar teny an-toerana. Anisan’ny nanamarika ny seho ny nandihizan'ny The Jackson Boys tamin'ny hira "Thriller" niaraka tamin'ny akanjo nifanaraka tamin'izany, izay toy ny tamin'ny horonantsary mihitsy, sy ny fiakaran'ireo zazakely nandihy teo amin'ny sehatra tamin'ny faran'ny fampisehoana. Nampiavaka ity mpanakanto amerikanina nalain-dry zalahy tahaka sy notsaroana ny sabotsy teo ity ny fananany saina nahay namorona fomba fandihy sy fihirana nampiavaka azy manokana. Tsy mety ilaozan’ny toetrandro sy mbola alain-tahak’ireo mpanakanto maro maneran-tany hatramin’izao izy.

J. Mirija



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT