kolontsaina

Tsenan’Anjoma Hanomboka ny 18 desambra


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Tetsy Analakely sy Mahamasina ihany no nisy ny tsenaben’ny Noely nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatramin’izay. Hiavaka tsy toy ny mahazatra izy amin’ity taona 2017 ity.

 

Havondrona eo Analakely avokoa mantsy ny mpivarotra rehetra na ilay nantsointsika tsenan’Anjoma taloha ka ho hita eny an-toerana avokoa ireo karazan’entana rehetra ilaina mandritra ny fety sady manaraka ny fenitra sy ny kalitao takian’ny mpanjifa. Ny 18 desambra ho avy izao no hanomboka amim-pomba ofisialy ny hetsika, hifarana ny 7 janoary taona 2018. Hiarahan’ny kaominina miasa miaraka amin’ny le zoma de Tana ity  tsenaben’ny Noely ity, hoy Raharivelo Tiana Harilaza, delegen’ny Boriborintany I. Efa  mandeha ny fisoratana anarana ho an’ireo mpivarotra vonona ny handray anjara. Ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana  tsy ara-dalàna minia manampin-tsofina kosa  dia nomarihiny manokana fa efa misy ny paikady manokana hifehezana azy ireny hahafahan’ny mpanjifa rehetra miantsena am-pilaminana, lavitry ny korontana sy ny mpangarom-paosy. Toraka izany koa ny fitohanana eto an-drenivohitra izay tena efa mampikolay ny maro tokoa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT