kolontsaina

Tsenaben’ny Kabary Hatao ho isan’ny fanoitry ny fizahantany


  • Zoma 10 Jona 2022

Ho tontosaina ny 16 hatramin’ny 18 jona izao eny amin’ny zaridainan’Andohalo ny hetsika “Tsenaben’ny Kabary”.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy na FIMPIMA maneran-tany, Hanitra Andriamboavonjy, dia hetsika efa fanao isan-taona izy io saingy hatramin’ny taona 2007 dia nampiarahana hatrany amin’ny Herinandron’ny Kabary. Hiavaka kosa ny fankalazana manomboka eto satria ho an’ity taona ity manokana dia iaraha-miasa amin’ny ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara na ONTM izany. Fikambanana zokiny indrindra misehatra eo amin’ny fikabariana ny FIMPIMA ary hankalaza ny faha 60 taonany ny 16 novambra amin’io taona hoavy io. Firenena miisa 14 ankehitriny no efa misy ny rantsany ka isany ny ao Frantsa, Belzika, Alemainina, Norvezy, La Reunion. Vina apetraka kosa ny hoe “Kabary; harem-pirenena, mampandroso ny taranaka ankehitriny ary lovan-jafy.” Hiavaka ny fankalazana amin’ity, hoy hatrany ny filoha, satria anatin’ny iray volan’ny teny Malagasy isika. Efa tafiditra ao anatin’ny Harena tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO koa ny Kabary. Ankoatran’ny fampiratiana sy hetsika ara-javakanto samihafa dia hisy ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny ONTM sy FIMPIMA satria dia azo atao fanohitra iray fampandrosoana ny tontolon’ny fizahantany sy ny fihariana aterak’izany rehetra ity vakoka tsy hita maso ity, hoy ny avy eo anivon’ny ONTM. Ho avy amin’io fotoana io ireo “Tour operator”, ireo trano fandraisam-bahiny, fisakafoana samihafa kanefa dia tsy mialon-jafy ihany koa ny fanasana fa ho an’ny rehetra na mpianatra na mpikabary na iza na iza, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpikarakara ny hetsika tetsy amin’ny tranom-bokim-pirenena etsy Anosy omaly.
J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT