Fahombiazana tanteraka ny tsenabe Fivoarana nokarakarain’ny Fikambanana Fivoarana
tarihin’ny filohany ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine. An’hetsiny hatrany mantsy ireo vahoaka namaly ny antso indrindra fa ireo tantsaha mpamokatra raha araka ny fanadihadiana natao. Tafiditra tao anatin’izany ny foara natao tao Imerintsiatosika, Arivonimamo, Manalalondo raha tao Mahitsy kosa no namaranana ny andiany tamin’ity taona 2025 ity. Nanomboka omaly Alakamisy 24 Jolay ny foara ho an’ny tananan’i Mahitsy haharitra 4 andro. Tanjona ny hamoronana asa ho an’ny tsirairay hahafahana miady amin’ny fahantrana. Toraka izany ihany koa ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo tantsaha mpamokatra raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fanomezana fiofanana matihanina ho an’ireo izay mila izany mba hahafahana manatsara ny asa fiharian’izy ireo. Fantatra moa fa tsy hijanona intsony ho an’ny kaominina Mahitsy ny tsenabe Fivoarana fa hisy hatrany isan-taona. Ho entina hitety faritra ihany koa izany ka izay faritra misy ny tantsaha dia hisy ny fikambanana Fivoarana. Notsiahivin’ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine moa fa raha tiana handroso ny Firenena dia tsy maintsy hatsaraina ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, antony hilofosany hanaovany izao tsenabe Fivoarana izao.
Pati
Legende : Miezaka manampy sy mihaino tantsaha hatrany ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine, voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.