kolontsaina

TRUE DIRECTION LIFE Fahombiazana ny fampisehoana teny Antsahamanitra


  • Talata 06 Jona 2017

Fahombiazana tanteraka ho an’ny tarika True Direction Life (TDL) ilay fampisehoana notontosaina tao Antsahamanitra nyalahadin’ny Pentekosta lasa teo.

Vao ny sabotsy dia efa nifampitadiavana ny tapakila, fampisehoana izay azo lazaina fa tena nampiakatra avo ny tarika tokoa. Saika nohirain’i Fanja nandritra ny fampisehoana avokoa ireo karazan-kira nahafantarana ny tarika hatramin’izay, toy ny tsy diso lalana. Anisan’ny vaovao be nefa tsy afaka am-bavan’ny maro sahady ihany koa ilay hira tsy hanan-java-mahory, lohatenin’ilay raki-kiran’izy ireo vaovao. Naharitra ora maromaro ny fampisehoana,  izay saika nentina niderana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra avokoa. Feno hipoka Antsahamanitra, afa-po ny mpijery ary mbola vonona ny hanome ny tsara hatrany ny TDL. Nambaran’izy ireo fa tsy hijanona hatreo ny hetsika fa mbola hitohy hatrany ka hoheverina ny fandehanana any amin’ny faritra. Ho an’ny rakikira vaovao kosa dia efa manomboka miparitaka eny amin’ireo toeram-pivarotana maro isan-tsokajiny izy ireny nanomboka omaly.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT