kolontsaina

Troupe Jeannette Hiaka-tsehatra etsy amin’ny AFT Andavamamba rahampitso


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Hamerina indray ao am-pon’ny olona ny fitiavana ny tantara tsangana ny Troupe Jeannette amin’izao fiandohan’ny volana aogositra izao,


fiandohan’ny fotoam-pialantsasatra  lehibe. Hiaka-tsehatra ao amin’ny AFT Andavamamba izy ireo rahampitso alahady 5 aogositra manomboka amin’ny 3 ora folakandro ka tantara tsangana  Malagasy miisa telo nalaza tamin’ny taona 30 no hanomezan’izy ireo aina ny sehatra mandritra izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny hira  miisa  15 hanomezana  aina ny lanonana, izay  haharitra ora telo. Hampiavaka ity tantara an-tsehatra ity ny fisian’ilay tantaram-pitiavan-dRanarisisy sy Rahely  izay tena mahaliana ny maro tokoa. Anisan’ny hahazoana anatra sy lesona amin’ny fiatrehana ny fiainana ihany koa ny fampisehoana tahaka izao, antony nanosika ny mpikarakara hisafidy ny troupe Jeannette manokana. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 1929 no niorina voalohany ny troupe Jeannette. Ireo taranaka fahatelo no efa mitondra sy manome aina ny tarika ankehitriny.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT