kolontsaina

Tropy Jeannette Hahatsiaro sy hanome voninahitra an’i Mamy Rajaonarivelo


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Hiaka-tsehatra ao amin'ny AFT “Alliance Française Andavamamba” indray ny Tropy Jeannette mpilalao teatra Malagasy amin’ny alahady 25 novambra 2018 tolakandro izao hanatanteraka ny Tsiahy an-kira “Souvenirs en Chansons Theatrales”

  hahatsiarovana manokana an’i Mamy Rajaonarivelo mpilalao fototra lehilahy andiany faha-3 tao amin’ity tarika ity izay nodimandry ny 20 aogositra 2017. Tsiahivina fa i Mamy Rajaonarivelo dia zanak'i Sylvestre Rajaonarivelo, mpisehatra lehilahy fototra “rôle principal” lehilahy tao amin'ny Tropy Jeannette andiany faha-2 sy Lala Rajaonarivelo izay  efa mpilalao teatra ihany koa tao amin'ity tropy ity. Voataiza teo anivon'ny teatra izy, nisehatra anjara madinika “figurant” no niatombohany. Rehefa nodimandry ny rainy dia nandimby azy teo amin'ny fitazonana ny mpisehatra fototra i Mamy ka ny tantara Zanaboromahery nosoratan'i Elizà Freda no nanombohany an’izany. I Ninà Randriamahenina no mpisehatra fototra vehivavy niaraka taminy. Nampalaza azy sy ny Tropy Jeannette ny fahaizany misehatra sy ny fananany feo avo, izay tena ilaina eo amin'ny hira teatraly malagasy.

Hamerina ireo hira tao amin’ireo tantara nolalaovin’i Mamy fahiny ary amin’io fotoana io, ao anatin’ny fizarana faharoa amin’ny fampisehoana, i Kola zanany lahy sy Poussy anabavin-drainy izay efa samy ao amin’ny Tropy Jeannette daholo ankehitriny ary i Lala Rajaonarivelo reniny miaraka amin’ny Tropy Jeannette mazava loatra.

Eo amin’ny fizarana voalohany kosa no hilalaovan’ny Tropy sombin-tseho  mandravaka ireo hira teatraly tsy afaka am-bavan'ireo mpankafy ny kalon'ny fahiny   nampalaza an' Andrianary Ratianarivo sy Rasamy Gitara samy mpamoron-kira tao amin'ny Tropy Jeannette.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT