TROPICAL VIBE

Hanomezan-danja ireo artista Malagasy manan-talenta


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Raikitra ilay hetsika Tropical Vibe, tohanan’ny zava-pisotro World Cola. Ny Zoma 06 Desambra

ho avy izao no hanatanterahana azy etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina, manomboka amin’ny 07 ora hariva. Mpanankato maro manana ny lazany sy ny maha-izy azy no ho avy hanafana lanonana ahitana an’i Lion hill, Sayda, LJo, Basta Lion…Tanjona amin’izao hetsika izao raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny mba hahafahana manasongadina ireo artista Malagasy manan-talenta. Nosafidiana manokana kosa Antananarivo noho ny fahantarana fa tena mahafaly ny vahoaka ny fisian’ny hetsika tahaka izao indrindra mahazo ilay Vendredi magnifique, fotoana fanalan’ny tsirairay avy hamohamo iny, taorian’ny herinandro mavesatra nodiavina. Hisy mandritra izany ny Chicha bar, ny Photo booth, ny fahafahana mijery ny fahaizan’ireo mpandihy vehivavy mandihy tropikaly, ny fanentanana hataon’ny Dj ary ny snack sy ny tonotono akoho sy hena. Amin’ny 04 ora hariva dia efa misokatra ny vavahady raha eny an-toerana ihany no hivarotana ny tapakila. Tsiahivina moa fa anisan’ny orinasa lehibe manohana hatrany ireo mpanankato Malagasy ny orinasa Star.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantaran’ireo mpikarakara ny hetsika omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT