Teny Ankasomalaza Ambohimanga Rova misy ny foibe toerany, tamin’ny sabotsy 30 mey 2020 lasa teo, no niresadresahan’ireo mpikambana ao amin’ny Tranoben’Imerina notarihan’ny filohany,
ny Andriana Randrianatoandro Robert mpitahiry ny hasim-piandrianana Merina, tamin’ny mpanao gazety ka nanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo Raiamandrenim-poko tsy an-kanavaka eo Madagasikara (Olobe,Tangalamena sns…), na ao anaty Vovonan’ny Foko 22 eto Madagasikara na tsia, noho izao zava-misy eto amin’ny firenena izao sy manerana an’izao tontolo izao eo amin’ny fihanaky ny tsimokaretina covid-19 mba samy handray andraikitra avy any amin’ny foko iadidian’izy ireo ka hampiasa ny fomba amam-panaon’izy ireo amin’nty ny hery hananany avy mba hisorahana ny loza aman’atambo mihatra ankehitriny ary hanamafy fa tsy ny areti-mandalo no hanamotika an’ity firenena ity. Ka manainga ny rehetra, noho izany, hanomboka amn’ity faha-21 jona ity ary ho tohizana iisaky ny faha-21 ny volana hitsahana hatramin’ny faha-21 desambra 2020 ho avy izao mba hiombom-bavaka isam-poko hiatrehana an’izany ady izany tahaka ny efa nanombohana azy hatramin’ny 21 martsa 2020 lasa teo. Manentana ihany koa ny zana-poko rehetra izahay, hoy ity Tranoben’Imerina ity : “araho tsar any tormarika navoakan’ny fanjakana repoblikana mitondra ankehitriny ma tsy handairan’ny fifindran’ity tsimokaretina ity tahaka ny eny anivon’ny renim-poko sasany ankehitriny any aminareo fa ianareo no hamatsy ny aty an-drenivohitra rehetra ara-tsakafo ao aoriana kely ao. Mikasika ny fikasana ny hanohizana ny firaisan-kina ara-drazana amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny Taom-baovao iraisan’ny Malagasy tanterahina isaky ny volana septambra isan-taona. Rehefa dinihana ny ezaka ataon’ny fitondrana Repoblikana eto amin’ny firenena ankehitriny dia efa mihomana ny Vovonan’ny foko 22 eto Madagasikara amin’ny hanatanterahana any Mahajanga ny andiany faha-4 amin’io Taom-baovao iraisana io amin’ity taona ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.